|
Tamin'ny taona1990, avy amin'ny alalan'ny didy hitsivolana, ny fanjakana
Malagasy dia nanome ny ONE ireto andraikitra manaraka ireto.
- Mandrindra ny
fametrahana sy ny fanatanterahana ny Plan d'Action Environnemental,
- Mampandroso sy
mampiroborobo ny lalàna mifehy ny tontolo iainana,
- Mandrindra ny
tetik'asa sy ny fikarohana momba ny tontolo iainana,
- Manaramaso sy
mamporisika ny asan'ireo ivotoerana efa misy entina manantontosa ny Plan
d'Action Environnemental,
- Mandrindra ny
asa fanabeazana sy fampianarana momba ny tontolo iainana,
- Fanatontosana
ny asam-panentanana mikasika ny tontolo iainana,
- Fanomezana soso-kevitra
eo amin'ny tetik'asa fandrindrana ny tontolo iainana,
(tahiry Décret d'organisation
de l'ONE)
|